Mbola tsy ampy amin'ny habetsahana sy ny hatsarana ny famokarana vilona ho an'ny omby vavy be ronono eto amintsika. Antony nahatonga ny MDB, nikarakara hetsika "Andron'ny vilona", natao tany Tsiroanomandidy ny 9 jona 2023, ary nitohy teto Analamanga, teny Anosy Avaratra, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, ny 16 jona 2023.

Tsy ampy mandavan-taona ny vilona ampiasain'ny mpamokatra, noho ny fisian'ny maitso ahitra. Mbola ny 40%-n'ny filana ihany koa no iantsorohan'ny famokarana vilona eto amintsika. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB, dia tsy ampy 44000 Taonina ny filana raha ho an'ny eto Analamanga sy ny Faritr'Itasy manokana, noho ny tsy fisian'ny fampiasam-bola ataon'ny ny mpiompy.

Manampy trotraka ny tsy fahampian'ny toerana malalaka firaofan'ny omby ahitra, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny firongatry ny doro tanety saika isan-taona. Hetsika nanentanana ny mpiompy, hamboly vilona ho an'ny sakafon'ny ombiny, ny "Andron'ny vilona", mba hividy ny vokatra vilona efa azo ampiasaina, hamokatra sakafon'omby tsara kalitao, ary hifampizara traikefa amin'ny famokarana vilona. Nandray anjara sy nanome voninahitra tamin'ny "Andron'ny vilona" natao teny Anosy Avarata, Antananarivo Avaradrano, ny Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, ny Dokotera Raymond.

[Miara-dàlana] Zoma 26 jolay 2024

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...