Maro ny aretina tsy mifindra anefa manelingelina ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana no isan'ny mahatonga ny aretin'ny taova-pisefoana, izay vokatry ny fako sy ny setroka isan-karazany. Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fanajana ny fahadiovana satria izay tsy mandoto dia isan'ireo efa manadio. Marefo ny fahasalamam-bahoaka raha vao misy tsy fahalavorariana ny fahasalaman'ny tsirairay. Mila manao ezaka ny olona rehetra mba hanarahana ireny tetik'asa ataon'ny fanjakana momba ny fahasalamana ireny. Maro ihany koa ny aretina ateraky ny fandrosoana toa ny fandrosoana teknôlôjia sy ny asa-fikarohana hafa... 

Nankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny teto Madagasikara. Maro ny hetsika nanehoana izany. Nanasa vehivavy tompon'andraikitra, misehatra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fandaharana HIRIKA. Tsy iza fa Ramatoa Tantely Rahoeliarivahy Rajobson...

Ny toe-po, toe-tsaina sy toe-panahy entina manorina ny tokantrano no antoka sy fototra mampaharitra  azy. Mila fiomanana, fantarina, ary volena izany toetra izany fa tsy mandeha ho azy. Zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mitovy amin'ny fiainan'ny mpitovo ny fiainan'ny mpivady. Ny fanorenana tokantrano dia fanohizana ny fahariana, izay tso-drano avy amin'Andriamanitra. Maro ny adidy sahanin'ny mpivady manoloana izany iraka izany. Ny fanatanterahana izany no fiainana ny hasambarana ety an-tany. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony... 

Ny 08 marsa no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Ny loha-hevitry ny fanamarihana amin'ity taona 2023 ity dia : "Fanabeazana ny ankizivavy, fampizankan-tenan'ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy". Ny 8 marsa dia andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy satria hita kokoa ny fisongadinan'ny fihenan-danjan'ny hasin'ny vehivavy. Isan'ny zo : manan-jo hiaina ao anaty fahalalahana tsy hiaran'ny herisetra ; zo ho salama vatana saina, zo hahazo fahalalana, zo hifidy, zo hanana asa mendrika, zo hanana fananana. Hafatra : aoka isika hafantatra ny zon'ny vehivavy...

Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.

Maro ny tsy fahatomombanana mpahazo ny maso ka misy ireo ilàna fitsaboana amin'ny alalan'ny fanafody ary misy koa ireo tsy maintsy hampiasàna solomaso. Ny olan'ny fahitana dia misy ireo tsy mahita halavitra na ireo tsy mahita akaiky. Ny fiforonana sy ny fitomboan'ny voamason'olombelona dia amin'ny faha-10 taonany vao tomombana tanteraka. Fandaharana "andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

Efa tsy azo ihodivirana ny firoborobon'ny tontolo nomerika noho ireo voka-pikarohana vaovao sy ireo teknôlôjia nomerika. Misy fanabeazana tsy maintsy atao anefa mba hanafoanana ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahafahana mirotsaka sy misehatra ao amin'ny tontolo nomerika.

Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...

Ny aretina "bilarziôzy" dia aretina azo avy amin'ny kantsentsitra, miditra amin'ny maso-koditra, rehefa milona anaty rano, mety nisy sifotra ny olona iray. Misy karazany telo ny "bilarziôzy" arakaraky ny kantsentsitra tafiditra ao amin'ny olon iray, amin'ny alalan'ny maso-koditra dia : ireo manafitaka ny tsinay, ny faharoa dia ireo manafika ny tatavy ary ny farany dia ireo mahazo ny tsinay sy ny atidoha. 24 ora hatramin'ny 18 herinandro aorian'ny nirobohany rano ka tsy nanasa tongotra na nandro dia mety hare mangidihidy sy malailay, ilay olona, manavy, marary ny vanin-taolana... Ny "bilarziôzy" dia mety hijanona ao amin'ny olona iray mandritra ny 15 hatramin'ny 20 taona. Ho fisorohana io aretina dia tokony hanaja ny fahadiovana ny rehetra...

Ahiahiana ho miverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany indray ilay valan'aretina "Fièvre de la Vallé de Rift" na ny FVR efa nirongatra tany amin'ireo Faritra ireo ny taona 2021. Aretina mahazo ny omby sy ny ondry ary ny osy, izay mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina ny FVR. Nanomboka hita tao Vatovavy sy Fitovinany ity aretina ity ny volana janoary lasa teo, ka omby 20 isa no efa maty ho an'ny ao Mananjary sy ny Nosy-Varika...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...