Voarafitra ankehitriny ny Paik'adim-pirenena ho an'ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR faharoa. Natolotra ny alatsinainy 10 jolay 2023 teny amin'ny Hotel Carlton Anosy ny paik'adim-pirenena 2023 hatramin'ny 2035 taorian'ny fankatoavan'ireo mpisehtra. Tamin'ny alalan'ny atrik'asa no nanolorana izany mba ahafahan'ny mpisehatra rehetra mahafantatra ny votoatiny sy tanjona kendrena aminy...

Manamafy ny efa azo tamin'ny SNFAR voalohany voarafitra tamin'ny taona 2012 ity SNFAR vaovao ity. Vina hotratrarina amin'ny taona 2035 ny hanana fampiofanana ara-pambolena sy tontolo ambanivohitra mahomby, mifanaraka amin'ny lokan'ady ankehitriny ary koa ny hampivoarana ny sehatry ny fambolena amin'ny endriny samihafa ahatratrarana ny fampandrosoana lovain-jafy. Tanjona fototra efatra no kendrena ary vokatra 11 no hadrasana aminy. Nanome voninahitra ny fampahafantarana ny Ministry ny Fiompiana Ramilison Harifidy, notronin'ny lehiben'ny delegasiôna eraopeana eto Madagasikara Ramatoa Isabelle Delatre.

Nahafapo an'ireo mpiantsehatra amin'ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra ny dingana namolavolana ny paik'adim-pirenena ho an'ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR faharoa. Izy ireo izay samy nankasitraka ny fitondram-panjakàna nahafahana nanana ity paik'ady vaovao ity. Niainga avy any ifotony ny famolavolana azy hoy ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly, Razafimbololona Angeline.

Nandray anjara tamin'ny famolavolana ity SNFAR faharoa ity koa ny tambazotran'ny mpampiofana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny tambazotra FARMADA. Ny fiarovana sy hanohizana ny vokatra efa azo tamin'ny SNFAR voalohany no tena ady sisika nataon'izy ireo hoy ny filohan'ny tambazotra FARMADA, Serge Merison.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...