12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.

10 aprily — Tsy fantatra mazava izay toerana mazava nahaterahan'i Fulbert, fa hoe avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Ny fantatra momba azy dia ny fanarahany ny fampinaran'i Gerbert d'Aurillac tao Reims tamin'ny taona 984. I Gerbert d'Aurillac io ilay papa Sylvestre II taty aoriana.

09 aprily — Teraka tao Picardie tao France ny taona 1030 i Gautier. Mbola zaza izy dia efa nizotra tamin'ny lalam-pahamasinana sy ny lalam-pahalavorariana. Efa niezaka nanao ny fiain'ny mpitoka-monina izy tany amin'ny toerana nitaizana azy.

07 aprily — I Masindahy Jean-Baptiste de La Salle dia pretra frantsay, nitondra fanavaozana teo amin'ny fomba fampianarana. Nanokana ny fiainany amin'ny fanabeazana ny zaza mahantra izy ary mpanorina ny fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes.

06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.

05 aprily — Misionera niaina tamin'ny taona 1357 ka hatramin'ny 1418 i Masindahy Vincent Ferrier. Teraka tao Valence izy, ary mbola tany am-bohoka izy dia efa hitan-dreniny tamin'ny nofy sahady ny hoaviny ka nitebiteby fatratra.

04 aprily — Arseveka tao Séville i Isidore tamin'ny taonjato fahafito. Rahalahiny sady mpandimby an'i Masindahy Léandre, eveka tao Séville ihany koa i Isidore, zanaka printsy izy ireo ary mbola mpiray tampo aminy ihany koa i Masindahy Fulgence sy i Masimbavy Hortense izay relijiozy nalaza tamin'ny hira masina.

03 aprily — Niaina tamin'ny taona 1197 ka hatramin'ny taona 1253 i Richard. Teraka tao Angleterre izy, zanak'olona ambony razana izy ka nanan-karena be nefa vetivety foana dia nikorosy fahana ary tao aorian'ny nahafatesan'ny ray aman-dreniny dia nigadra noho ny trosa ny lahimatoa tamin'izy ireo.

02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.

01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.

09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...