25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.

23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.

22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.

21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".

20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.

19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.

16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.

15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...