♦Hotokanana mandritra ny dian'ny Filohan'ny Repoblika ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny digy Hiarovana ny tanànan'i Toliara amin'ny tondra-drano. Natao tao Toliara omaly ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna manitsy ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna nivoaka ny taona 1960 mifehy ny halatr'omby. Mihamafy ny sazy ho an'ireo tratra mangalatra omby... ♦ Nahiditra am-ponja eny Antanimora alina ireo olona miisa 3 voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Raissa, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ; vehivavy 68 taona ny iray ary ankizilahy 16 taona kosa ny roa hafa...

15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.

15 mey 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

♦Notanterahana androany tany Toliara ny filan-kevitry ny ministra izay notarihan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany ilay tolo-dalàna izay manitsy ny andininy sasantsasany tamin'ilay lalàna nivoaka ny taona 1960 mahakasika ny halatr'omby... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny tsenan'ny karbôna ao amin'ny Faritra Sofia ny ala honko, izay mirefy 50.000 Hektara... ♦ Nivavaka ho an'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Chapelle Pauline ireo mpitondra fivavahana Tatsinanana manaraka ny fombam-pivavahana Copte, tamin'ny alatsinainy teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...