Ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara dia faly miarahaba antsika jiaby, tratran'ny Noely sy ny Taom-baovao 2025. Tonga, teraka eo anivontsika i Jesoa. Tonga miara-dia amin'izao tontolo izao, ary miara-dia amin'ny Eglizy. Tonga, teraka ao an-tranon'omby Izy, tranon'omby izay sisin-dalan'ny fiaraha-monina. Mampahatsiaro antsika àry i Jesoa, mba tsy ho tavela, tsy ho adino eo amin'ny sisin-dalana ny ankizy mahantra sy mijaly.
25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)
Anatin'ny tahirin-kevitra "Rano sinara-nosy takila 30-32 no ahitana ny mety ho antony mahatonga ny faritr'i Mananjary. Taloha dia mazàna no miady ireo fanjakàna mifanolo-bodirindrina, izay resy dia vaky mandositra ; nisy nanan-janaka kambana tao ary hadino ny iray tamin'ireo kambana izay niverenan'ny rainy nohavotana kinanjo vonoin'ireo mpandresy nananjika ireto farany rehefa hazany, nanafatra sy nanozona araka izany ny mpanjaka tamin'irety voatafika fa fady ny mitaiza zaza kambana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco