25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)

Mankalaza ny nahaterahan’ny Mpamonjy isika, ilay Mesia tonga hiara-monina amintsika, tonga hanafaka antsika amin’ny fahotana ary hanome fiainana vaovao ho antsika, dia ilay fiainana mandrakizay santarintsika dieny ety nan-tany.

Tamin’ny alalan’io Zanany tonga nofo io no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika olombelona hatrany am-piandohana, izay mistery tian’i Masindahy Joany hifampizarana amintsika ankehitriny. I Jesoa Mpamonjy teraka, dia ilay Teny nisy hatrany am-piandohana, nisy hatrizay talohan’ny nahariana izao tontolo izao. Ilay Teny tao amin’Andriamanitra ary tsipihan’i Masindahy Joany, fa io Teny io dia Andriamanitra. Io zaza teraka atrehintsika maso, amin’ny fanehoana ataontsika amin’ny tranon’omby io dia Andriamanitra: Andriamanitra ivavahana sy Andriamanitra tsahoina ary Andriamanitra anehoana fitiavana manokana indrindra amin’izao fahaterahany izao.

Asongadin’i Masindahy Joany fa tamin’ny alalan’ny Zanany, Ilay Teny tonga nofo no naharian’Andriamanitra an’izao rehetra izao, ary raha tsy Izy tsy nisy hary izao zava-boahary rehetra izao. Saingy tsy nahalala Azy izao tontolo izao, nanomboka tamin’i Adama sy Eva tsy nankato ny fandaharan’Andriamanitra, ka nahatonga ny fisarahantsika olombelona tamin’Andriamanitra, nahatonga ny ratsy nanjaka tao am-pon’ny olombelona, nahatonga ny haizina nandrakotra an’izao tontolo izao. Ny haizina anefa tsy haharesy Azy. Ary izay rehetra nandray Azy dia efa nandroaka ny haizina tao aminy mba hizorany amin’ny mazava.

Zava-nisy efa hatrany am-piandohana izany, fomba nanehoan’Andriamanitra ny fisiany sy fiarahany tamin’ny vahoakany, nanehoany ny fahatongavany teo amin’ireo olony, tamin’ny alalan’ny Fanekem-pihavanana nataony, ny Didy sy Lalana ho an’ny vahoaka ary tamin’ny alalan’ireo Mpaminany sy olon-kendry, fa tamin’ny fotoana farany kosa no nahatongavany ho nofo, ny nifidianany ho tonga olombelona, hifampizara fiainana amintsika. Noho ny misterin’ny fahatongavana ho nofo no nahatafajoro ny fonenan’Andriamanitra ety anivontsika olombelona.

Tsy tonga handalo Andriamanitra, fa tonga hitoetra eto amintsika, ka miantso antsika Izy mba ho mpiray tampo Aminy isika ary hahay hifampitondra toy ny mpiray tampo koa isika rehetra, hahalavorary ny fiainantsika eto an-tany.

Amin’izao Noely izao no fotoana fanavaozana sy fihavaozana, hahatonga ny fiainantsika olombelona hihatsara, ho araka an’Andriamanitra. Koa samia miezaka hanatsara ny fiainana, hanatsara ny fifandraisana miainga eo anivon’ny tokatrano, ny fiara-monina, amin’ireo namana sy ireo mifanerasera mba hanorenana tontolom-piainana misy an’Andriamanitra.

Fotoana koa ifanolorana fanomezana ny fotoana toy izao, tolory fitiavana, tolory hafalina, tsikitsiky, tolory indrafo ireo tafahaona aminao fa izany no fanomezana tsara indrindra sady ananan’ny rehetra hifampizarana ny hafaliana amin’izao Noely izao.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...