Tsy misy ny fifanakaikaizana am-po eo amin' ny Ray aman-dReny sy ny zanaka ka mitarika amin'ny tsy fifampitokisana izany. (10-02-2021)

♦ Mikatona vonjy maika, anio alakamisy, ny fitsarana eny Anosy... ♦ Mitaky ny famotsorana tsy misy hatakandro sy tsy misy fepetra an-dRakomalala Hermann kosa ny KMF/CNOE, Fanabeazana olom-pirenena ... ♦ Efa nandingana ny valo alina ireo matin'ny Coronavirus any Frantsa...

Alakamisy 11 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30

♦ Notsofin-drano androany ny lalana Papa Joany Paoly Faharoa, tamin'ny alalan'ny fanavaozana ilay tsangambato fahatsiarovana ny fandalovan'ny Papa Joany Paoly Faharoa teto Madagasikara... ♦ Iray tsy mivaky ny mpitandro ny filaminana ary tena misy ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa fa tsy araka ny fanehoan-kevitra diso iniana voizina ankehitriny, hoy ny lehiben'ny EMMONAT...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...