Zoma 12 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

♦ Vatobe dimy ambin'ny folo, milanja 10 hatramin'ny 80 taonina, ao Antananarivo Renivohitra, no ahiana hianjera. Nametrahana saina mena tamin'ny toerana misy ireo vatobe ireo, toy ny teny Tsimialonjafy sy Ampamarinana, androany... ♦ Nijoro androany ny Tanora-RMDM, miantso ireo tanora tonga saina hitsangana, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny ambaran'izy ireo fa tsy fahombiazam-pitantanan'ny fitondrana ankehitriny...

Mandray anjara amin'ny fanentanana ny olona mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana ny ONG ACDM amin'ny alalan'ny fanofanana iarahan'ny amin'ny ESDES... Ny Dauphin dia isan'ireo biby mampinono, ireo mivelona an-dranomasina dia anatin'ny fianankaviambe ny "Delphinidés", ary "Platanistidés" ny an-dranomamy... Varotra entona karbôna: Vola 50.000.000 Dollar no ho azo ao anatin'ny 5 taona, tetikasa any amin'ny faritra Sava, Sofia, Analanjirofo, Antsinana, Alaotra-Mangoro... 

♦ Hitondra fitoniana ny fahafantarana ny marina amin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava Richard... ♦ Tafakatra 11 ireo mpianatra voasambotra any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Hisy ny fivoriana iarahana amin'ireo mpandraharaha mba hampidinana hatrany amin'ny 18% ny vidin'ny entana ilaina andravanandro... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...