Alakamisy 11 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30

Ry havana ! Any amin’ny faritanin’i Tyr sy Sidona indray i Kristy anio, faritany sokajiana hoe ho an’ny tsy mpino. Tao no nisy vehivavy anankiray nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto, tonga niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesoa. Fihetsiky ny maro amintsika rehefa miditra ny Fiangonana io nataon’ilay renim-pianakaviana io (mandohalika sy mitsaoka). Mampahatsiaro antsika ny tenin’ny Papa Fransoa izany hoe : “ny olona marary sy malemy no tsy afa-mandohalika intsony, hoy izy” ; izany hoe rehefa tsy mety mandohalika sy miankohoka eo amin’i Jesoa eo amin’ny Sakramenta Masina isika dia mampieritreritra ny tanjaka sy ny fahasalaman’ny fanahintsika.

Matoa moa maneho izany fihetsika izany, dia eo ilay hoe fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, fa eo ihany koa ilay hoe fitalahoan-javatra tahaka ny nataon’ity renim-pianakaviana ity. Tsy voatery hahazo valiny mahafapo eo no ho eo sy avy hatrany anefa isika. Eto dia ambarany hoe : “aoka ho voky aloha ny zanaka fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa”, izany hoe mety mbola manana ny fandaharany sy ny laharam-pahamehana ho azy aloha Andriamanitra.

Ry havana, na ho ela na ho haingana dia mamaly mandrakariva amin’ireo izay mitoky aminy Andriamanitra. Averiko indray : ireo izay mitoky Aminy, izany hoe tsy manao Azy ho fitaovana fotsiny ka rehefa may amin’ny mahamay na tandindomin-javatra vao mitodika Aminy. Eto aza, tsy mpino manaiky ny Programan’Andriamanitra sy ny laharam-pahamehany, mainka ve fa isika ? Tsarovy àry, ity tenin’Andriamanitra ity : “raha hainao no mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino”.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...