♦Hotokanana mandritra ny dian'ny Filohan'ny Repoblika ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny digy Hiarovana ny tanànan'i Toliara amin'ny tondra-drano. Natao tao Toliara omaly ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna manitsy ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna nivoaka ny taona 1960 mifehy ny halatr'omby. Mihamafy ny sazy ho an'ireo tratra mangalatra omby... ♦ Nahiditra am-ponja eny Antanimora alina ireo olona miisa 3 voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Raissa, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ; vehivavy 68 taona ny iray ary ankizilahy 16 taona kosa ny roa hafa...
15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.
15 mey 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)
♦Notanterahana androany tany Toliara ny filan-kevitry ny ministra izay notarihan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany ilay tolo-dalàna izay manitsy ny andininy sasantsasany tamin'ilay lalàna nivoaka ny taona 1960 mahakasika ny halatr'omby... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny tsenan'ny karbôna ao amin'ny Faritra Sofia ny ala honko, izay mirefy 50.000 Hektara... ♦ Nivavaka ho an'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Chapelle Pauline ireo mpitondra fivavahana Tatsinanana manaraka ny fombam-pivavahana Copte, tamin'ny alatsinainy teo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco