Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

♦ Nitombo ny fanodikodinana ny volam-panjakàna tamin'ny departemanta samihafa tamin'ny taona 2019 na dia hita taratra aza ny finiavan'ny fahefana mpanatanteraka hiady amin'ny kolikoly... ♦ Niakatra fampanoavana androany momba ny raharaha nitorian'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy i Clémence Raharinirina... ♦ Lavon'ny Coronavirus teo amin'ny faha-65 taonany ny sekretera jeneralin'ny OLP Fikambanana ho fanafahana an'i Palestine...

♦ Nanome toromarika ireo fampanoavana hampihatra politikam-pamaizana manokana hanamafisana ny ady amin'ny herisetra ny ministry ny fitsaràna, manoloana ny tranga fanolanana... ♦ Efa any Abidjan avokoa ny ankamaroan'ireo mpilalao mandrafitra ny barea, hihaona amin'i Côte d'Ivoire amin'ny alakamisy izao... ♦ Nanome baiko amin'ny hanokafana fanadihadiana momba izay voalaza fa hosoka tamin'ny fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia ny ministry ny fitsaràna amerikàna...

Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...