Andriambahoaka afovoan'ny tany dia zanaky ny Mpanjaka Andriambahoaka, nanjaka tao Imam, nandova ny fanjakàna izy ary nanana ny lazany. Nomena ny anarana hoe afovoan'ny tany izy noho ny lazany tamin'ny haranitan-tsaina niaraka tamin'ireo vahoaka notantaniny ; rehefa namantatra ny toerana misy ny fanjakàny i Andriambahoaka-II dia naniraka vahoaka nozarainy antoko roa ka ny antsasany nianavaratra ary ny ampahany faharoa nianantsimo, nasainy hitondra ranomasina sy zava-maniry amin'ny tany izay lalovany avy ireo, niara-tonga teo an-tanàna ireo iraka ka izay no nahafahany namaritra fa ivon'i Madagasikara no nisy ny fanjakàna ary io no niavian'ilay anarana fanampiny hoe "afovoan'ny tany"...
Ny teny ampiasaina ao amin'ny angano dia ireo mora takatra sy tsotra. Ny angano dia azo ampiarahina amin'ny fihetsika rehefa tantaraina ; ny renibe na ny reny no mpitantara angano. Ny angano dia mitory hanatra, maneho fitsipi-piainana, fanitsiana, fanakianana. Tantara foronina ny angano, mifandroy ny mpandray anjara ao anatiny ary mifanaraka amin'izany ny sehatra sy ny habaka itondrana ny tantara. Lahabolana mampiavaka ny Malagasy ny angano, karazana arofanina ho an'ny fiaraha-monina izy, manarina ny lesoka...
Fatra-pandini-javatra ny Ntaolo Malagasy, vokatr'izany fandinihan-javatr izany no amoahany ny ankamaroan'ireo fiheverana mbamin'ny fitsipi-piaina amam-pitondran-tena izay niteraka ireo kolontsaina nampiavaka azy ary mbola ifandovan'ny taranaka amam-para mandraka ankehitriny. Tsy mba nampiasa soratra nenti-nandrakitra ireny kolontsaina ireny anefa ny Malagasy fa tadidivava, isan'ny lahabolana nampitàna izany ny "Angano". Ny angano dia tantara misy fototra marina tany am-boalohany...
Misy fifandrifiany ny teny Malagasy ny teny Swahili, ary maro ireo porofo hita amin'ny anaran-toerana sy anaran'olona, mikasika ny fifandrohiana izay. Tamin'ny faritra avaratra-andrefana amin'ny nosintsika no tena nifanerasera tamin'ireo foko Bantou, ny teny Swahili anefa dia teny Arabo sy teny Bantou miaraka. Ireto anaran-toerana ahenoana teny Swahili Antanimasja, Amabibo, Ambatonakanga, Ambodivona, Itaosy ; ireto no ohatra anaran'olona misy teny Swahili : Anja, Salama, Monja, Riziky, Jao, Seheno...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco