Ny faha 21 febroary no andro manerantany natokana ho an'ny tenin-dreny ; tamin'ny taona 2000 no nanapahan'ny UNESCO fa natokana hanasongadinana ny tenin-dreny io ando io. Ny loha-hevitra nofidiana amin'ity taona ity dia " Teny ibeazana fanohitry ny fampandrosoa maharitra, lovain-jafy, mateza. Ny "teny" dia fitaovam-pifandraisana eo amin'ny firenena, ampiasain'ny vahoaka ao anatin'ny tontolo isainana iombonana. Ny "fiteny" dia fomba fanehoana ny teny, izay miova araka ny firafitry ny vatana, sy ny hodidina, toerana misy ny olona...

Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ny Jihe dia lahabolana fanao amin'ny fifaliana, fahoriana, famondrona hery hanao asa na dia iraisana. Amin'ny fihaonan'ny antoko mpiangaly jihe amin'ny sampanan-dalana iray dia misy ny fifanandrinana, fifamelezana io ilay atao hoe "BILO", eto dia tanana no hifamelezana fa tsy mampiasa fitaovana hafa. Azo ampilaharina amin'ny sangy mahery ny BILO...

Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ity lahabolana ity dia fanao amin'ny fotoana fifaliana sy amin'ny fahoriana, izany hoe fandrisihana sy fampaherezana ireo izay hiantsàna azy. Ny JIHE dia lahabolana fanaon'ireo foko any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana : Masikoro, Vezo, Bara. Lahabolana fanao famporisihana amin'ny asa iombonana toy ny hoe fitariham-bato...

Ny tsena dia nosokajian'Andrianampoinimerina hoe lapa, laka fihaonan'ny olona maro. Maro ireo tanjona ara-piaraha-monina nokendrena tamin'ny tsena dia ny fifampifehezana, ny fampitoviana ny rehetra, ny fifandambinana, fandrindrana ny fiainan'ny fiaraha-monina, fifampivelomana, fampandrosoana. Nametraka fitsipika maro Andrianampoinimerina mikasika ny tsena, isan'ireny ny famoahany ny venty sy ny fitaovam-pamarana, fandrefesana, fandanjana. Tsy nisy ny fakàna haba sy sara tamin'ny vokatra namidy taloha fa taty amin'ny andro nidiran'ny vazaha vao nisy izany...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...