Alakamisy 30 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.

♦ Tsy mitombo isa mihitsy hatreto ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandefa CVO na Covid Organics 11.500 fonosana ho an'ny vahoaka any Guinée Equatoriale sy ireo Malagasy monina any an-toerana ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Misokatra ankehitriny ny antontam-baovao azon'ny rehetra jerena izay liana amin'ny vaovao momba ny Coronavirus...

♦ Velon-taraina ny fikambanan'ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny FIASTRAMA fa misy misandoka ny vokatra avy amin'izy ireo hitsaboana ny marary... ♦ Manohy ny fanafihana ao an-tampon-tananan'Ambatondrazaka ny jiolahy mitam-piadiana. Miantso vonjy manoloana izany ny mponina... ♦ Olona 25 no atao famotorana tao aorian'ny vono olona nahafaty pôlisy tany Ambanja...

♦ Mitohy ny fitiliana ireo olona tonga eny amin'ny toeram-pitsaboana ahiahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin'ireo mpandoba ny harem-pirenena ny Alliance Voahary Gasy... ♦ Naolotra aro-ava iray hetsy ho an'ny vahoaka any aminy ny ao amin'ny faritra Amoron'i Mania...

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...