♦ Tanterahina anio tolakandro ny lamesa ho fisaorana an'Andriamanitra sy ny fandevenana an'i mompera Rakotondrasoa Jean Timothée... ♦ Handrasana amin'ity sabotsy ity ny fehi-kevitra mikasika ilay fikaonandoha Nasiônaly nokarakarain'ny RMDM, eny amin'ny By-pass... ♦ Efa eo am-pamaranana ny dingana fitsaràna ilay fifaninanana hidirana ho amin'ny sekoli-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja ny tompon'andraikitra... 

♦ Nodimandry omaly i Mopera Rakotondrasoa Jean Timoté. Tanterahina anio tolakandro ny fandevenana... ♦ Nanome hafatra ho an'ny mpanohitra ny governoran'ny Faritra Analamanga nandritra ny fanolorany ny fiarabe mpitatitra fako ho an'ny kaominina Ambohidratrimo... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany amin'ny fiainam-bahoaka ny asan'ny mpitondra ankehitriny, hoy ireo mpizaika amin'ny fikaonandoha nasiônaly karakarain'ny RMDM, eto Antananarivo... 

Hitantsika tamin'ny alalan'ireo endrika telo (Jesoa, Piera, Paoly) fa ny fahasahiana dia miteraka risi-po ho amin'ny tanjona iray. Tsy mandeha ho azy anefa ny fahasahiana fa vokatry ny fitiavana, ny finoana, ny fahatokisana, eny fa vokatry ny fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...