♦ Olona efatra vaovao indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Na misy aza ny fidinan'ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia tsy maintsy ny fifanarahana eo amin'ny Kompanian-tsolika sy ny Fanjakana ihany ho ahafahana mametra ny vidiny eto Madagasikara...

♦ Tsaboina ao amin'ny hôpitaly Anosiala, ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ilay olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tany Mahajanga... ♦ Namoaka didim-pitondrana ny any amin'ny faritra Amoron'i Mania fa tsy maintsy manao arotava ny mponina any... ♦ Tsy ampy iatrehana ny firongatry ny tazomoka eto amintsika ny fanafody misy hoy vondron'ireo mpivaro-panafosy matihanina...

♦ Tafakatra 322 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Toherin'i Madagasikara amin'ny fomba hentitra ny fikasan'i Frantsa hametraka ilay ivo-toerana mbomba ny tontolo iainana any amin'ny Nosy Sambatra... ♦ Mitaky ny hanajana ny fisaraham-pahefana eo amin'ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalana ary fahefam-pitsarana ny vondrona parlemantera tsy miankina na ny GPR...

Tonga hatrany amin'ny paositry ny polisy i Dera nohadihadiana momba ireo trangan-javatra nihatra taminy tsinahy. Izay niseho dia natrehany, na dia tsy avy aminy akory aza no antony nahatonga ny ankabeazan'izay nitranga. Nihatra taminy avokoa na fanaintainan'ny vatana, na fahasahiranan'ny saina, na fahaverezam-panahy. Reraka ihany no niafarany.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...