Zoma 30 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58

♦ Nihaona mivantana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany, ny Filoham-pirenena sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Fihaonana, manoloana ny raharaham-pirenena tato ho ato... ♦ Hiaraka amin'ny an'ny fanjakana ny taom-pidiran'ny sekoly katôlika, amin'ny taom-pianarana ho avy io. Ny voalohan'ny volana septambra izao ny fidiran'ny sekoly katôlika manerana ny Nosy...

Zava-dehibe amin'ny fiaraovana ny ala sy ny zava-boary ao aminy ny fisafoana ny aty ala. Manana andraikitra mikasika ny fisafoana ny aty ala ny Ong Durrell, araka ny nambaran'Andriamatoa Mandimbihasina Angelo Ramy. Ny Ong Durrell dia fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna, miaro ny karazana aina ahiana ho lany tamingana izay manana ny foibeny any Jersey.

♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC ho an'ny farim-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taon-dasa... ♦ Mitaky ny hanovàna ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Antoko Politika Madio na ny APM... ♦ Handefa taratasy misokatra ho an'ny filohan'ny repoblika, hangata-panazavana amin'ny fitakian'ny fanjakàna ireo Nosy Malagasy ny Antoko Otrikafo... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...