♦ Tafapetraka androany ny Faritra faha-23 eto Madagasikara. Manatrika ny lanonana any Mananjary ny filohan'ny Repoblika sy ny Praiministra... ♦ Nihaona nandritra ny ora efatra androany ny Evekan'i Morondava sy ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao Morondava. Resaka manodidina ny asan'ny fitsaràna sy ny kolikoly... ♦ Nanoratra taratasy tatsy Afrika atsimo mba hitsaràna ny raharaha volamena 73 kilao, tatra tany, ny AVG...
Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Hilalao any an-tanin'olona ny Barean'i Madagasikara anio tolakandro. Lalao fifanitsanana isam-bondrona ahafahana mandray anjara amin'ny amboara eran-tany 2022, hihaonany amin'I RDC... ♦ Iray andro mialohan'ny lalao hataon'ny Barea any RDC, misavoritaka ny FMF. Natsahatra tamin'ny asa maha filoha azy Andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul... ♦ Asa fanaovan-gazety : hametraka rafitra ara-panjakàna hiahy ny asa fanaovan-gazety ireo tsy mankasitraka ny fifidianana...
Isan'ny antso ihany koa ny fanambadiana. Misy dingana miisa telo : ara-pianankaviana, ara-panjakàna, ary ara-pinoana. Miteraka adidy sy andraikitra ny fanambadiana sy ny maha kristiana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco