♦ Efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy manodidina, ka fahadisoan-kevitra ny filazana ny mbola fitakiana ireo nosy ireo, hoy ny Profesora Raymond Ranjeva... ♦ Tranga roa na telo isan-kerinandro no tra-tehaka mahakasika ny didy hosoka eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo. Nisy didim-pitsarana hosoka tratra indray androany...

♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ireo olona mijaly noho ny harerahan-tsaina ny Papa François, mandritra ity volana novambra ity... ♦ Seminarista 51 avy amin'ny diosezy 13 no natokana ho mpamaky teny sy mpanotorna teny amin'ny Théologat Faliarivo, ny 31 oktobra 2021... ♦ Nanatanteraka ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny diôsezin'Ambanja ny 22 ka hatramin'ny 30 oktobra 2021, ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana...

17 taona katroka androany ny fandaharana "Hirika". Fandaharana nivoizana ireo hevitra sy vaovao momba ny fampandrosoana tamin'ny lafiny maro indrindra ho an'ny teny amin'ny tontolo ambanivohitra...

♦ Faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny no misedra olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio. Isan'izany ny any Fianarantsoa. Ny fanovana ny toe-tsaina hiaro ny tontolo iainana no vahaolana maharitra hoy ny depiote Seth Rajoelina... ♦ Ahiana hihotsaka indray ireo vatobe atahorana eny amin'ny manodidina ny vohitr'i Manjakamiadana ao Antananarivo Renivohitra. Fokotany enina no voakasik'izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...