♦ Tsy hita taratra indray ny fitsaharan'ny ady hevitra pôlitika amin'izao Herinandro Masina izao. Miezaka mamaly ny fanoherana hatrany ireo mpomba ny fitondràna, tato ho ato... ♦ Miomana sahady amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany eto Antananarivo ny eo anivon'ny Ministeran'ny rano. Hitondra fanazavàna momba ireo fiomanana efa atao ny Ministra... ♦ Nampisahotaka ny mponin'i Ilanivato omaly hariva ny tranga nisy teny an-toerana. Lehilahy iray non voatifitry ny Pôlisy, saingy nahatezitra ny mponina, izay tafavory maro poatoizay... ♦ Nanoso-kevitra vaovao hisian'ny fifanarahana fampitsaharana ny ady ao amin'ny faritra Gaza, amin'ny Hamas ny fitondrana Israelianina...

Maro ireo toerana eto anivon-tany no tsy fantatra firy ny tantarany, misy anefa ireo izay tsara ho fantatra. Ny tanàna Andranoro sy Ampasanimalo dia misy resaka fitiavana teo amin'olona roa nifankatia no niaviany. Andranoro dia nisy an'i Andriabodolova, izay taranaka vazimba, nahita sy nanambady zazavavindrano natao hoe Ranoro ; nametraka fepetra ny tsy hanononana "sira" io Ranoro io, anefa tsy voatandrin'i Andriabodolova izany ka lasa nody any anaty rano niaraka tamin'ny zanany i Ranoro. Ambohimanga dia vohitra iray nantsoina hoe Mahandriony mialohan'ny nanomezana any ny anarana Ambohimanga...

15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.

Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...