♦ Nitombo 15 ny Pretra etp amin'ny diôsezin'Antananarivo, 16 isa ny Diakra. Notanterahana omaly tetsy Soamandrakizay nandritra ny andron'ny Diôsezy ny fanamasinana azy ireo... ♦ Miantso ny mpitondra hiara-hidinika amin'ny alalan'ny fikaonandoham-pirenena ny CRN. Miantso fitoniana ny loholona Ramanambitana Richard... ♦ Baolina kitra : nivoaka nandresy ny Barean'i Madagasikara raha nanafika tatsy Botswana tamin'ny sabotsy teo. Niondrika teo anatrehan'ny malagasy tamin'ny isa tokana iray noho aotra ny ekipam-pirenena Botswané... ♦ Nampanantena hanolotra 30 miliara dôlara hanampiana an'i Afrika ry zareo japoney. Fanambarana nandritra ny fihaonana an-tampon'i Afrika sy Japon andiany faha-8 natao tany Tunis...

29 aogositra — I Masindahy Joany Batista ilay resahana eto dia ilay mpialoha lalana sy nanao batemy an’i Jesoa. Raha iverenantsika kely ny fiainan’ity olomasina ity satria efa nisy fotana niresahantsika azy tamin’ny volana jona dia zanak’i Zacharie sy Elizabeth izy.

Matetika dia avy amin'ny fianakaviana misy raiamandreny mpikatroka, mpandray andraikitra ao amin'ny Fiangonana no ipoiran'ny fiantsoan'Andriamanitdra ho amin'ny fandraharahana masina. Napetraka ho ohatra tokoa mantsy ny raiamandreny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alatsinainy 29 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...