♦ Anio hariva amin'ny 6 ora any ho any, ora aty Madagasikara no handray fitenenana anatin'ny fivoriambe faha-77, eo anivon'ny ONU, izay tanterahina any New York ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina... ♦ Vonona hanamafy orina ny fifandraisany ara-barotra amin'i Madagasikara i Algérie, ary maniry ny hanamafisana izany amin'ny lafiny lalàna ihany koa... ♦ Vaksiny Janssen 79 200 fatra, no tonga teny amin'ny seranam-piara-manidina Ivato androany. Fanomezana avy amin'i Afrika-Atsimo ireto vaksiny ireto...

♦ Miverina nanomboka omaly faha 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy any ivelany, raha naato efa ho herin-taona latsaka izao... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny ministera raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny ministra Princia Soafilira tamin'ilay raharaha fanapohana solika. Manana hatramin'ny anio anefa ilay gazety nilaza izany hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana, maherin'ny 1.000 isa any amin'ny distrikan'Andilamena no nisitraka Vary-Tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakàna. Nanome toky ny praiministra, fa hojerena manokana ny hisitrahan'ny mponina ireo foto-drafitrasa nangatahany, toy ny tsena sy ny fahazoana rano fisotro madio...

21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.

Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa  voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny  handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...