22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.
Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana rehefa tena tia ka tsy mitady ny tombontsoany manokana fa mikaroka ny ahasoa ny ankohonany. Ny fifankatiavan'ny mpianakavy no mampisy firaisan-kina sy tena mamelona ny fiainana. Mila mandalina ny atao hoe "tena fitiavana" ny raim-pianakaviana mba ahafoana ny fanjakan-dehilahy sy ny tsy refesi-mandidy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Sabotsy 22 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9
♦ Nodinihana nandritra ny atrikasa notanterahana teny Ambodivona ny fomba mahomby hampiharana ny pôlitikam-pirenena hampivoarana ny laboratoire fanaovana fitsirihana ny aretina samihafa eto amintsika... ♦ Lasan'ny mpianatra ao amin'ny "Club Stem Lycée Andohalo" ny laharana voalohany tamin'ny fifaninana drafitr'asa mendrika indrindra taona 2021, nokarakarain'ny Tetikasa Stem, vatsian'ny Unesco vola... ♦ Sakana amin'ny fanajana ny zon'olombelona sy ny fahafahana ny tsy fahampian'ny lalana momba ny fampiasana ny habaka, hoy ny ilontsera...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco