♦ Miantso ny rehetra hiombom-bavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa Emérite Benoît faha-16 araka ny antso nataon'i Papa François omaly ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Voasambotra tao Fianarantsoa ire efa-dahy voalaza ho tompon'antoka tamin'ny fangalarana ilay zaza varira sy namono ny reniny ka niteraka ilay savorovoro nahafatesana olona maro tany Ikongo... ♦ Hankalazaina mandritra ny taona 2023 ny faha-200 taonan'ny fadintseranana malagasy araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha omaly...
Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Miantso ny fitondrana hijery akaiky ny fisondrotry ny vidim-bary vokatra eto an-toerana ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tafakatra 950Ariary ny iray kapoaka amin'ny vary makalioka... ♦ Mahatsikaritra ny filohan'ny antoko Malagasy Miara-Miainga fa tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana. Isan'izany ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repoblika mibaiko olom-boafidy hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo... ♦ Miantso ny fanjakàna hanara-maso akaiky ny toerana hivoahan'ny volamena ao aminy ny Ben'ny Tanàna ao Dabolava mba ahafahan'ny tamberim-bidy miditra amin'ny Kaominina...
29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco