♦ Vonona hiatrika ny fifidianana ho avy ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara. Ny teritery sy ny fanenjehana ireo mpitarika sasany tao amin'ny antoko, no nisintahan'ny mpikambana sasany, hoy Andriamatoa Raveloson Thierry... ♦ Iharan'ny tsy fanajana ny zo tokony hisitrahany, ny mpiasa eo amin'ny sehatry ny fitaterana anabakabaka. Maherin'ny 2000 no misedra izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Tsy eken'ny mponina any Andilana Avaratra, Distrikan'Amparafaravola, ny hanokafana ny toeram-pitrandrahana vato sarobidy ao aminy...

Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...

Satria ao anaty fiaraha-monina ny olona, ka ny soa ho an'ny tsirairay dia mifampiankina amin'ny soa iombonana. Antsoina hoe "soa iombonana" ny fepetra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina ka manampy ny isam-batan'olona sy ny fikambanana manontolo hanatratra ny tanjony. Ho an'ny soa iombonana, ny manampahefana dia antsoina hanaja ny zo fototry ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alakamisy 2 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...