♦ Niarahaba ny Filoham-pirenena tamin'ny anaranan'ny governemanta Malagasy omaly ny Praiministra Ntsay Christian, tamin'ny nahavoahosotra azy ho "Mpanorina lehibe aty Afrika" ka nahazoany ny loka "Babacar Ndiaye"... ♦ Tanora miisa 4.000 no ho raisina hilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tafika Malagasy amin'ity taona ity, ka fifanarahana mandritra ny 2 taona no atao, manomboka amin'ny voalohan'y volana aogositra izao... ♦ Miantraika mivantana amin'ny mponina any amin'ny Faritra atsimo atsinanana ny fiovaovan'ny toetr'andro. Taorian'ny ranobe tamin'ny rivo-doza dia mananontanona indray izao ny hain-tany... ♦ Tany Rosia, nisy "drone" tsy fantatra nalefa sy napoaka ka niteraka firehetana tao amin'ny toeram-pandiovana solika...
Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Nanomboka afak'omaly ny fivoriam-be fanaon'ny Fivondronamben'ny Eveka isan-taona... ♦ Mamotika ny olom-pirenena sy ny fiaraha-monina ary ny demôkrasia ny fiparitahan'ny vaovao tsy marina, ka nahatonga ny Ministeran'ny serasera hamolavola lasitra sy aro fanina hiadiana amin'izany... ♦ Veleran-tany 15.000 Ha mahery no efa voafendraka fanafody hamonoana valala, ho fiarovana ny volin'ny tantsaha... ♦ Misokatra ankehitriny ny fanadihadiana ataon'ny Rosiana noho ny ambarany fa fanafihana sy asa fampihorohoroana nataon'ny Okreniana tamin'ny alalan'ny fandefasana "drone", teo ambonin'ny lapam-panjakana Rosiana tany Kremlin...
Ny teny dia anisan'ny fitaovana iray hifandraisana, ary ao antin'ny teny no misy ny fifampihainoana. Zo sy adidin'ny olona tsirairay ny miteny, noho izany dia tokony hohenoina izay miteny. Tsy ny teny rehetra no voatery hohenoina satria misy ireo olona izay manana fahazarana miteny ratsy. Efa niova ny soatoavin'ny fifampihainoana ankehitriny, isan'ny anton'izany ny tambajotra-tserasera isan-karazany. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco