Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.

♦ Ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fananan'ny Filoha ankehitriny zom-pirenena Malagasy, ny antoko MMM, amin'ny fifidianana ho avy io... ♦ Miroso ny fanamboarana ny ampahan-dàlana ratsy ao an-drenivohitra, hoy ny Minisiteran'ny Asa Vaventy... ♦ Takin'ny sendikà SECES, Sampana Antananarivo, ny hanatrarana sy hamoahana ny anaran'ireo tompon'andraikitra voalohany tamin'ny hosoka, nandritra ny Bakalôrea farany teo...

♦ Nanome tohana ara-bola mitentina 9 hetsy Dôlara ho fanampiana amin'ny fikarakarana fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken'ny rehetra eto Madagasikara, ny Governemanta Amerikana... ♦ Nanohy ny hetsika tamin'ny alalan'ny "Sit-in" ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo omaly, teny Ankatso. Tsy hihemotra amin'ny fitakiana izay nataony izy ireo, araka ny lahateny teny an-toerana... ♦ Naneho hevitra momba ny delestazy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, efatra andro tao aorian'ny fe-potoana nomen'ny Filoham-pirenena...

Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...