Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana anio ny Filoham-pirenena. Andrasana indray izay ho ambarany momba ny olana ara-tsosialy iainan'ny vahoaka ankehitriny... • Hovana ho “électronique” manomboka izao ny karatra fahazoan-dalana na “Permis minier” havoakan'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany. Nampahafantarina androany ny momba izany... • Tombanana hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity na ny voalohandohan'ny herinandro ho avy io ny voka-panadinana CEPE. Mitaraina ireo mpampianatra fa nahena ny isan'ireo mikirakira izany...
♦ Mikatsaka hatrany ny fanampiana ny tanora amin'ny fanohanana azy ireo ahita fanofanana arak'asa sahaza azy ny Don Bosco Madagasikara. Fahombiazana ny fihaonambe fifampizaran-kevitra natao tao Toliara sy Fianarantsoa tamin'ity volana jona ity... ♦ Tsy aharitra ela ny ady eo amin'i Iran sy Israel hoy ny Profesora Ralison Roger. Misy akony amin'ny tany madinika toa an'i Madagasikara nefa ity ady ity... ♦ Hahazo fankatoavana iraisam-pirenena atsy ho atsy ny kianjan'i Barea etsy Mahamasina hoy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Efa mikarakara ny fomba hanatsaràna ny bozaka ilalaovana ny tompon'andraikitra hoy Andriamatoa Abdulah Moustapha...
Ny sehatra mampivondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco