♦ Namoaka hafatra manoloana raharaham-pirenena ankehitriny ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tokony aato ny zotram-pifidianana, ary tokony hifantoka amin'ny fifampidinihana, ka miantso ny fampiatoana ny fampielezan-kevitra sy ny fidinana an-dalambe, ny Vovonana ho an'ny Fifampidinihana sy Fanelanelanana, izay hanatanteraka fampihaonana anio... ♦ Hiverina ny fahafahan'i Madagasikara manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany...
Miaro mandrakariva ny vahoaka sy ny ankohonana miantehitra Aminy Andriamanitra ka nahavaky vava ny mpanao Salamo hoe : sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny, sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! (Sal 33; 12; sal 44; 15). Fototra niorenan'ny Tantaran'ny vahoaka Hebrio ny nahitàna an'Andriamanitra nanafaka azy noho ny fangejana nataon'ny Ejipsiana ka nanirahany an'i Moizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
10 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
♦ Tsy namaly ny antson'ireo Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny vondron'ny kandidà, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta androany, raha nampiantsoina hitondra fanazavana teny Tsimbazaza... ♦ Handray fepetra hanerena ny fanafoanana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023, ny vondron'ireo firaisamonim-pirenena, fikambanana sy ny sendikà isan-tsokajiny... ♦ Hiverina amin'izay ny fahafahana manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany. Tafapetraka ary nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny “Guichet unique” hisahana izany, etsy Mamory Ivato...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco