♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...
Ny fitiavana no "lalana tsara indrindra" (1 Korintiana 12 : 31) mitondra amin'ny fahalavorariana sy ny fahamasinana. "Ny fitiavana mahari-po sady be hatsaram-panahy (1 Korintiana 13: 4). Tsy lavo na ho potika amin'ny faharetana sy ny hatsaram-panahy ny olombelona. Arakaraka ny hitomboan'ny fitiavantsika no hianarantsika hanome sy hanokana ny tenantsika ho an'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
18 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)
♦ Tontosa androany tany amin'ireo OVEC manerana ny Distrika eto Madagasikara, ny fanaovana ny ankitsapaka handaharana ny laharan'ny kandidà ao amin'ny biletà tokana, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny 29 mey 2024... ♦ Nahazo fahafahana ireo olona enina tamin'ireo olona sivy nosamborina noho ny fanoherana ny fizarana tsy ara-drariny ny tany ao amin'ny lemaka Bas-Mangoky... ♦ Efa manomboka mahazo vahana eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra, na ny “télé-médecine”...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco