Ny fianakaviana dia fototra hiorenan'ny fiaraha-monina, ahitana ray aman-dreny sy zanaka. Miainga amin'ny fianakaviana foana ny lamina entina mampandroso ny firenena. Miseho amin'ny lafiny maro ny rafitra fianakaviana : ny fianakaviana ara-pinoana, ny fianakaviana ara-drazana izany hoe iray ra, misy koa ny fianakaviana ara-politika, fa ny rafitry ny fianakaviana ahitana ny ray aman-dreny sy zanaka hatrany no niaingan'ireny. Misy fomba tsotra afahan'ny fianakaviana hifampizara finoana sy fanantenana amin'ny alalan'ny fampianarana ny finoana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Fifidianana tsy ara-dalàna ny fifidianana Loholona hotanterahana ny 11 desambra izao hoy ny hery fanoherana, ka milaza tsy handray anjara amin'izany izy ireo... ♦ Nandroso soso-kevitra amin'ny hitondran'ny filoha malagasy eo anatrehan'ny SADC ny fitakian'i Madagasikara ireo "nosy malagasy" amin'izao hitantanan'ny filoha malagasy ity vondrona ity izao, ny antoko TEZA... ♦ Mitondra vokatsoa ho an'ny sekoly AKAMA 67Ha ny fampiharana ny pôlitika fampiatiana. Mbola malalaka koa ny toerana ho an'ireo mpianatra eny amin'ity sekoly ity... ♦ Voasazy higadra 27 taona sy 3volana i Jair Bolsonaro filoha teo aloha any Brésil...

Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Tsy handray anjara amin'ny fifidianana Loholona hotanterahana ny alakamisy 11 desambra 2025 ny mpanohitra. Fifidianana tsy ara-dalana no kasaina hatao, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Nandresy tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanana tao Betroka Ambonivohitra ny kandidan'ny GJMP. Tsy lany indray ny Ben'ny Tanana IRMAR, izay efa nitondra ny Kaominina, araka ny didy nivoaka ny 5 septambra 2025... • Mandray fiofanana avy amin'ny Federasiona ho an'ireo mpitsara Basketball isika eto Madagasikara. Tanora mpitsara avy amina firenena 11 aty Afrika no miatrika izany, nanomboka androany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...