Ny aretina "ongobe" na "filariose" dia aretina efa ela no nisy teto Madgasikara. Aretina mamela takaitra ity aretina ity raha vao tsy voatsabo ara-potoana, izy io dia aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka atao hoe "Culex", ity moka ity no mitondra ny atodi-kakana "larve filaire". 6 hatramin'ny 12 volana no hitombony ao amin'ny olombelona ary lasa kankana lehibe. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Nifarana omaly ny fihaonambe nasiônaly faha-12 ho an'ny Aumonierie Catholique des Prisons, nisy ny fehin-kevitra nivoaka tamin'izany...
  • Manentana ny olom-pirenena mba handray anjara amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao ny HCDED, Filan-kevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakàna tan-Dalàna...
  • Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 momba ny fahaizana miatrika ny ambana sy fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ny USAID. Vola mitentina 22 tapitrisa Dôlara no enti-manao izany...

  • Nivoaka ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny fivoriana ara-potoana omaly...
  • Manentana ny rehetra mba hitandrina amin'ny afo ny Ministry ny Mponina amin'izao vanim-potoana main-tany izao...
  • Ny 40% amin'ny ankizy an'arivony mampiasa ny "internet", nanaovana fanadihadiana teto Madagasikara dia nilaza fa efa niharan'ny fanararaotana mamoafady tamin'ny alalan'ny tranok'ala avokoa...

Farito mazava tsara ny fikasàn'ny vavaka, ka mifantoka amin'izay tianao hangatahana, tadiavina ny vavaka atao. Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, mandondona dia hovohana ianareo. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...