Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Masina Maria no renin'ny famindram-po, ary manana toem-panahy mendrika. Tsy isalasalàna fa mitalaho sy mifona mandrakariva ho antsika i Masina Maria mba higoka ny indrafon'Andriamanitra isika. Hoy i Masindahy Bernard : raha maniry hanolotra zavatra amin'Andriamanitra ianao na kely aza dia apetraho eo am-pelantanan'i Masina Maria... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco