♦ Niampy enina indray omaly ny olona mararin'ny Covid-19 no sitrana... ♦ Nahazo fitaovam-pitsaboana sy fiarovan-tena milanja 2,7 taonina avy amin'ny Fondation Jack Ma sy ny OMS indray i Madagasikara... ♦ Nambaran'ny manam-pahaizana momba ny varika eto Madagasikara fa tsy Coronavirus akory no nahafaty izao varika tao Vakoana Andasibe...

Alakamisy 16 aprily 2020 — Alakamisy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

♦ Hatramin'ny androany antoandro, olona 29 no efa sitrana soa aman-tsara, kanefa voan'ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Jerena avokoa ny fomba rehetra hanamaivanana araka izay azo atao ny fiainan'ny Malagasy amin'izao anatin'ny fihibohana, tsy ahafahana mivoaka ny trano izao... ♦ Tsy misy ahiana fa efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo olona roa mpiasan'ny fahasalamana...

♦ Nanatevim-pahalala momba ny fanatsarana ny fandraisana ny fanontaniana sy ny fitarainan'ny vahoaka ao amin'ny antso 910 ny mpiasa ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo voafonja ao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy any Toamasina no natoka-monina... ♦ Miantso ireo mpiasa tratran'ny antsojay amin'izao vanim-potoana sarotra iainan'ny firenena izao ny SEKRIMA mba hampandre azy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...