♦ Mbola maro ireo kaominina tsy nahavita fifidianana na koa mbola mifanolana eny anivon'ny fitsarana ankehitriny, hoy ny KMF-Cnoe... ♦ Rangahy iray no niharan'ny fanendrahana nataon'ny lehilahy 04 nitondra basy sy antsy androany maraina teny amin'ny 67ha... ♦ Hanokatra ny sekoly manomboka amin'ny Alatsinainy 19 Avrily izao ny vovonan'ny sekoly tsy miankina ahitàna sekolim-pinoana sy laika...
Alarobia 14 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
♦ Mbola ny Faritra Analamanga no ivon'ny valanaretina Covid eto Madagasikara. Ny 149 amin'ny tranga vaovao 224, mitondra ny tsimokaretina, dia teto Analamanga avokoa araka ny tatitra androany... ♦ Mikarakara atrik'asa handinihana ny rafitra ho famokarana sakafo eto Madagasikara ny FAO sy ny CIRAD...
♦ Mivory voalohany androany ireo mpikamban'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Andrasana ny fifidianan'izy ireo izay ho foloha vaovaon'ny HCC... ♦ Nodimandry ny solombavambahoaka an'i Manakara Giscar Andriano, araka ny fampitam-baovaon'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Maniry hatao vaksiny fanefitry ny coronavirus ny 76%-n'ny Malagasy, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco