♦ Hitady ny fomba handravana ny didim-pitsarana nivoaka momba ny raharaha andramena tany Singapour sy ilay fandoavana onitra amin'ny orinasa vahiny Polo Garment, potika tamin'ny taona 2009 ny fitondrana malagasy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Mbola hisy fanadihadiana atao momba ny nahatrarantsika ny Pic na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa mbola anatin'ny ady amin'ny Coronavirus isika, na efa midina aza ireo tranga vaovao...

♦ Maty, voatifitry ny mpitandro filaminana tany Moramanga i Delkely, ilay jiolahy nampitondra faisana ny tany amin'ny Faritra Betsiboka, Alaotra Mangoro ary ny tapany avaratry ny Faritra Analamanga,, nandritra ny fotoana maro... ♦ Hiroso amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana manana fifanarahana manokana ny fanjakana, ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny filaminana eto amintsika...

♦ Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus miisa 249 tamin'ny fitiliana miisa 803, no hita ny 12 mey lasa teo. Olona sitrana 269, lavon'ny aretina kosa miisa fito... ♦ Nitsingerina omaly ny faha-49 taonan'ny fihetseham-bahoaka voalohany teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ao Analakely, Antananarivo Renivohitra, nanoherana ny tsindry hazolena nihatra tamin'ny mpiray tanindrazana tamin'izany fotoana izany...

Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...