♦ Tratehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny teratany Sri-lankais izay nikasa hanondrana an-tsokosoko vato sarobidy... ♦ Handalo fitsaràna anio eny anivon'ny filan-kevi-panjakàna Anosy ny fitoriana izay napetraky ny "cellule de crise" ivondronan''ireo mpanao gazety nandà ny fifidianana birao vaovao maharitry ny OJM... ♦ Miantso ny mpitondra mahefa handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny Evekan'ny Diôsezy Morondava...

Ny fiaraha-monina ankehitriny dia anjakan'ny fitiavantena. Ny mpanana sy ny matanjaka no manana ny fahefana ary zary atao tsinotsinona ny aina. Manoloana izany dia voalika ny mahantra sy ny madinika, etsy ankilany, tsy afaka mijery fotsiny an'izany ny fiangonana, ka manentana ny rehetra hitia ny madinika. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra mahefa, hijery vahaolana maharitra momba ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny Faritri'i Menabe, ny evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakana mpanao lalana. Samy nanome lanja ny asa vitan'ny fahefana mpanatanteraka ny filohany ; niombonana kosa ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...