♦ Manontany ny mpikamban'ny governemanta momba ny fitantanana ny raharaha-panjakàna, etsy amin'ny CCI Ivato ny solombavambahoakan'i Madagasikara... ♦ Hodinihana mandritra ny dinik'asam-pirenena momba ny fiompiana etsy amin'ny CCI Ivato ny 9 hatramin'ny 11 desambra izao, ny paik'ady ho fameloma-maso ny fiompiana eto Madagasikara... ♦ Nanentana ny lehilahy tao an-drenivohitra tsy hampiatra herisetra amin'ny ao an-tokantranony ny tetik'asa Sahala... ♦ Nifanakalo hevitra momba ny mety na tsy hahatomombana ny fifidianana any Lybie ny mpitondra libianina sy ny firenena mikambana...

Nihaona tamin’ny Papa François ny talata 30 novambra 2021 ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava. Maro ny dinika nifanaovan’izy ireo : ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy, ny JMJ 2022, ireo diosezy mbola tsy manana eveka… Indro ary ny hafatra manokana avy amin’ny Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy tao aorian’ny fihaonan’izy ireo.

Ny fanehoana fitiavana dia ilaina,  na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina?  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...