• Nanamafy ny hanatanterahany ny hetsika ny avy amin'ny mpanohitra, manoloana ny fahatongavan'ireo vahiny hanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana... • Handray fepetra manokana ny mpitandro ny filaminana, mandritra ireo hetsika lehibe eto amin'ny firenena ny 23 sy 24 avrily 2025, araka ny tinapaky ny EMMONAT... • Tsy maintsy ho vita mialoha ny volana aogositra 2026, araka ny fe-potoana voafaritry ny lalana, ny fifidianana eo anivon'ny UCTU, hoy ny filohany...

Mifanaraka amin'ny tetiandro navoakan'ny Papa Ray Masina mikasika ny fankalazana ny taon-jôbily 2025, natokan'ny Eglizy ho jôbily ho an'ny olona manana fahasembanana, ny datin'ny 28 avrily 2025. Atao hoe "Sembana" ny olona iray raha toa ka mihena mandalo na maharitra ny fahafenoiny ara-batana na ara-tsaina, azo hatrany am-bohoka, na vokatry ny fahanterana na vokatry ny loza, hany ka lasa tsy lavorary ny fahaleovantenany, ny fianarany, sy ny asany... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Mpiasan'ny Kaominina miisa 300, miampy ny mpiasan'ny minisitera maherin'ny 3.000 no nisahana ny fanadiovana ny tanana, ho fiomanana amin'ny fandraisana vahiny amin'ny Fivoriamben'ny COI... • Voasazy 10 taona an-tranomaizina, sazy mihatra, miampy fandoavana lamandy, ny olona roa manao fitrandrahana sokatra tsy ara-dalana. Iray amin'ireny ny Solombavam-bahoakan'i Soavinandriana... • Mampiantrano ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny toe-karena manga ny Faritra Atsimo Andrefana. Tanora avy amin'ny firenena afrikana maherin'ny 20, no mandray anjara amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...