Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy ka izay fifamenoan'izay no mahatonga azy ireo hifanolotra fitiavana. Ny fanambadiana dia misy fototra ara-tsoratra masina : Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. Jen2; 18. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Alatsinainy 1 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21
31 jolay — Teraka tao Loyola tao Espagne ny taona 1491 i Masindahy Ignace. Niasa tao amin’ny lapan’i Ferdinand V izy, avy eo dia nirotsaka ho tafika mpitaingin-tsoavaly. Tsy dia noraharahiny loatra izany hoe fiainana maha kristianina izany fa dia ny fieboeboana sy ny rendrarendra no tena nitarika azy teo amin’ny fiainany.
Ny eglizy sy ny fitondram-panjakàna dia mpiara-dia amin'ny sehatry ny fampandrosoana, ara-batana, ara-panahy. Ny fiangonana dia sady famantarana no fiarovana toetra ambony mahaolona ny olona iray. Samy manana ny adidiny ny fiangonana sy ny fitondram-panjakàna fa mifameno kosa izany adidy masina izany. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco