♦ Mpamilin'ny solontenan'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO any Paris, fa tsy olona eto Madagasikara no naka ny sarin'ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filohan'ny Repoblika. Enjehina noho ny fanohintohinana ny ain'ny Filoha sy ny fianakaviany izy... ♦ Mbola manamafy ny antsony mba hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto Madagasikara, mialoha ny handaozany an'i Madagasikara amin'ny alatsinainy izao... ♦ Omen'ny CENI alalana malalaka hanao fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, ireo herivelona rehetra eto amin'ny firenena...
19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray ny rahalahiny.
Tsy tonga ho azy ny fahamasinana sy ny fahalavorariana fa tsy maintsy misy ezaka, avy amin'ny tsirairay amin'ny "fitiavam-bavaka", amin'ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana. Izay no mamaritra ny lalana hahatongavana amin'io antso io. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco