Ny "RANGO" dia karazan-dahabolana malagasy, mifamatotra amin'ny fomba sy riba indraindray. Isan'ny fotoana hisehoan'ny RANGO ny riba "Forazaza", ny lalao ara-panatanjahan-tena "Moraingy". Ny olona mpanao ny "RANGO" dia mety ho vondron'olona, tarika, fokonolona. Ny votoatin'ny rango dia mifantoka amin'ny loha-hevitra iray, anefa raha hifamalianà tarika dia mety ho loha-hevitra hafa no raisin'ny mpifanandrina, arakaraky ny toe-java-misy. Ny RANGO dia atao tsy misy zava-maneno miaraka aminy matetika...

♦Tsy hisy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna amin'ity taona ity. Midika izany fa manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Ralison Roger... ♦ Henjehina araka ny lalàna ireo tratra manimba na mangalatra ireo fefy vy napetraka eny amin'ny farihin'Anosy. Natolotra ny Ben'ny tanàna omaly ny bokin'andraikitra fikojakojàna sy fiarovana ny asa vita eny an-toerana... ♦ Dahalo 80 lahy no nanafika tanàna, ary naka omby roa vala tany Antanandava, Distrikan'i Bekily Androy. Namoy ny ainy tamin'izany ny miaramila telo lahy sy zanaky ny Ben'ny tanàna ao Mitsinjo...

13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.

Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany  rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...