♦ Mampanahy ny hisian'ny krizy eto amin'ny firenena amin'ny fiandohan'io taona 2024 io, hoy i Alain Andriamiseza. Variana amin'ny pôlitika mantsy ny mpitondra ka minia tsy mitady vahaolana amin'ny fahantrana mianjady amin'ny malagasy... ♦ Nirongatra indray ny famakiana fiara tao anatin'ny 3 andro. Tsy mifidy fotoana moa ireo mpanao izany asa ratsy izany... ♦ Mbola olana goavana sedrain'ireo olona manana fahasembanana ny sehatry ny fitadiavana asa. Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena ho an'ny olona manana fahasembanana... ♦ Nitrangana asa fampihorohoroana tao Mindanaô any atsimon'i Philippines. Nisy nanapoaka baomba tao amin'ny gymnase iray nanaovana lamesa... 

Hevitra roa no azo handravonana ireo taratasin'ireo Evekan'i Madagasikara ny mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakàna sy ny Eglizy katôlika teto amin'ny nosy. Voalohany, ireo taratasy mamporisika ny lahika katôlika hikatroka amin'ny politika indrindra tao aorian'ny 1972. Ny faharoa, mampitandrina sao misy fahadisoan-kevitra satria tsy natao hanohanana firehan-kevitra politika ny fivavahana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

4 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Azo lazaina fa tsy ho afaka manatanteraka ny maha-izy azy ny tenany ny Eglizy raha tsy manana ireto fahafahana ieto : ny fahafahana maneho hevitra, mampianatra, mitory ny Vaovao Mahafaly, ny fahafahana manao fanompoam-pivavahana am-pahibemaso, ny fahafahana mampijoro rafitra ary manana fitsipi-pifehezana anaty ; ny fahafahana misafidy, manofana, manendry, manorina Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...