• Maro ireo naratra, nisy ny voasambotra, nisy ny trano may vokatry ny hetsika “Leo délestage” androany, tao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mitohy hatramin'izao hariva izao ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana ataon'ny mponina amin'ny tanana maro... • Nofoanana noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena ny Kongresy Nasionalin'ny antoko AVI, izay saika hatao rahampitso tetsy amin'ny CCI Ivato... • Manjaka ny hala-tany any amin'ny Kaominina Ambohibary, Distrikan'i Moramanga. Tany mirefy 5.000 m² bo bodoin'olona iray...
♦ Tonga nanohana ny antson'ny mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra ireo olona leo delestazy sy tsy fisain'ny rano. Tsy tafiditra teo amin'ny toerana nifampitaonana nefa izy ireo... ♦ Nanao ady sisika manokana ny amin'ny tokony hanalavana ny AGOA ny filoha Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'ireo tany mivondrona ao amin'ny SADC hoy izy... ♦ Mikarakara fihaonana momba ny siansa sy ny famokarana eny ambanivohitra ny FTA, iarahana amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ny ESS ABC sy ireo mpiara-miombon'antoka...
Ho fampandrosoana ny firenena dia manana adidy ny olona rehetra 18 taona noho miakatra hampiseho fihavanana fifanampiana, finiavana mitondra amin'ny fitiavana azoana vokatra tsara. Raha tiana ny handroso dia sahia manonofy, fa ireny no zary tanjona. Ny finoana dia isany solika mpandrisika ny olona hivoatra satria ny nofinofy tonga tanjona ary ireo ombana finoana no hatontosana izay kasaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tafapetraka ny fitoriana fandavana ny fanapahan'ny OMC hoy ireo nanao fangatahana amin'ny hetsika Ambohijatovo anio. Tsy mihemotra ireo mpanolon-tsainan'ny tanàna nametraka izany. Nampitandrina ny OMC fa handray fepetra hentitra amin'ireo mandika lalàna izy ireo... ♦ Tsy vahaolana ny fanakanan'ny mpitondra ny hetsika hanehoan'ny vahoaka ny alahelony hoy ny Antoko Kintana. Miantso ny mpitondra sy ny prefektiora hamela malalaka ny olom-pirenena haneho ny heviny amin'ny fahasahiranana mahazo azy koa hoy ny Leader Fanilo... ♦ Velon-taraina ny mpivarotra nesorina tao amin'ny bazary Ankirihiry any Toamasina...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco