25 jolay 2024 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)

♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto amintsika ny firaisamonim-pirenena malagasy... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny orinasa JIRAMA. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pahamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE, hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny Malagasy Tanora...

♦ Ministeran'ny fahasalamana : Malagasy 8.300 isa, isan-taona no matin'ny fifohana sigara, mila hamafisina ny ady atao amin'ny fivarotana antsokosoko ny sigara... ♦ Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Fomba fiasa vaovaon'ireo tambazotra mpanao izany indray ny fampiasana ny tambazotran-tserasera "facebook" hanangonana izany... ♦ Lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI ny jiolahy telo lahy saika hanao fanafihana teny Ilafy, omaly talata faha-23 ny volana jolay, araka ny fampitam-baovaon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Hanohy ny asa fampandehanan-draharaha mandrapaha-vita ny lalao olympique ny governemanta mpisolo-toerana ao Frantsa araka ny fanambarana nataon'ny filoha Frantsay...

Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...