Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
• Manoloana ny zava-nitranga teto amin'ny firenena omaly, dia nisy fanambarana entin'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny FFKM, izay manameloka ny herisetra sy ny fifampihantsiana, ary mitaky ny hisian'ny fifampiresahana... • Mitaky ny femetraham-pianan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary manome fe-potoana ho azy ireo hatramin'ny alatsinainy tolakandro hanaovana izany, ny vovonana HIFFIM... • Tsy manakana ny fanehoan-kevitra na ny hetsika politika ny Sendika Mahaleotenan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, fa miantso ny mponina kosa mba tsy hanimba ny fananana iombonana...
Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco