♦ Nametraka fepetra ny eo anivon'ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) mialoha ny hirosoana amin'ny fifampiresahana amin'ny filohan'ny antenimieran-doholona. Takin'ny OJM aloha ny fialan-tsiny avy amin'ny filohan'ity andrimpan-jakàna eny Anosikely ity... ♦ Nitondra fanazavana ny ambasadaorin'i Madagasikara any Etazonia Rakotomalala Lantosoa momba ny haban-tseranana 15% amin'ny entana avy eto Madagasikara miditra any amin'ity firenena ity... ♦ Handrafitra ny toetry ny andro amin'ny ankapobeny amin'ity herinandro ity ny tsiokan'ny Varatraza antonony... ♦ Faritra maro any Taïwan ankehitriny no lasibatry ny tondradrano vokatry ny ora-nikija...
♦ Nitondra fanazavana nitarika fahasorenana ho an'ny mpanao gazety ny Antenimeran-doholona. Valin-kafatra namaly bontana ny fanambaràn'ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara... ♦ Hanomboka anio alatsinainy amin'ny alalan'ny fivorian'ireo Fonksioneran'ny SADC sy tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny SADC ny fihaonana antampon'ny SADC, andiany faha-45, izay raisina eto Madagasikara... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny Barean'i Madagasikara sy ny ekipan'i Mauritanie ny alin'ny faha-3 aogositra, tao anatin'ny CHAN... ♦ Maherin'ny 1.000.000 ireo tanora niverina tany amin'ny tany niaviany, nombam-pifaliana, taorian'ny jôbilin'ny tanora tao Roma...
Rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cours de Justice (HCJ). Hatreto aloha dia mbola tena nampirimina any am-bata izy io. Notakiana sy notadiavin'ireo hery ivelan'ny fitondrana nifandimby fatratra anefa izany mba hitsikerana izay mpitondra am-perinasa, tany am-piandohana.
Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco