Ny vavaka no toy ny tondrozotra mitarika ny lalan'i Jesoa manatanteraka ny iraka ampanaovin'ny Ray Azy. Ny vavaka no mandavorary ny tontolon'ny andro iray. Ny Eglizy dia miezaka mitarika antsika isan'andro amin'ny vavaka : misy ny vavaka fanamasinana ny andro izay efa maro no manao izany ankoatra ireo manoka-tena. Ny vavaka no manokatra ny fo amam-panahintsika hanana fivelarana amin'Andriamanitra. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

31 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...

♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...